<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>789</hymn_number>
<title>Zaza izahay, ry Jeso o FFPM789</title>
<lyrics>[V1]
 Zaza izahay, ry Jeso ô !
 Nefa Hianao dia tia anay;
 Injany re ny feonao
 Miantso hoe : &quot; Avia ! Avia !&quot;
 Mba raisonao re, mba
 raisonao re, ry Tompo ô !
 Mba raisonao re, mba
 raisonao re izahay izao.

[V2]
 Zaza izahay, ry Jeso ô !
 Hianao tatý mba zaza koa ;
 Tarihonao ny hevitray
 Hanahaka ny hevitrao !
 Mba raisonao re, ..sns.

[V3]
 Zaza izahay, ry Jeso ô !
 Ny tenanay malemy koa;
 Kanefa he, ny herinao
 Miaro ny fanahinay !
 Mba raisonao re, ..sns.</lyrics>
</song>